FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Androany

Talata 15 Jolay

Andraso àry ny ondrikeliko.​—Jaona 21:16.

Nampirisika ny anti-panahy hoatr’azy ny apostoly Petera hoe: “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra.” (1 Pet. 5:1-4) Raha anti-panahy ianao, dia fantatray hoe tianao ny rahalahy sy anabavinao ary te hiandry an-dry zareo ianao. Indraindray anefa ianao mety hahatsapa hoe tery be ny fotoananao na reraka be ianao, dia tsy mahavita ny andraikitrao. Inona àry no azonao atao? Aborahy amin’i Jehovah izany. Hoy i Petera: “Raha misy manompo, dia aoka izy hanompo sady hiantehitra amin’ny hery omen’Andriamanitra.” (1 Pet. 4:11) Marina hoe mety tsy ho voavaha tanteraka aloha amin’izao ny olana atrehin’ny rahalahy sy anabavinao. Tadidio anefa fa afaka manampy an-dry zareo mihoatra noho izay azonao atao “ilay lehiben’ny mpiandry”, izany hoe i Jesosy Kristy. Afaka manao an’izany izy dieny izao sy any amin’ny tontolo vaovao. Izao fotsiny no angatahin’Andriamanitra amin’ny anti-panahy: Ny ho tia ny rahalahy sy anabaviny, dia hiandry an-dry zareo, ary “ho modely ho an’ny andian’ondry.” w23.09 29-30 § 13-14

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alarobia 16 Jolay

Fantatr’i Jehovah fa tsy misy dikany ny hevitry ny olon-kendry.​—1 Kor. 3:20.

Tsy tokony hanaraka ny hevitr’olombelona mihitsy isika. Raha mitovy fomba fijery amin’ny olona isika, dia mety tsy hiraharaha an’i Jehovah sy ny fitsipiny. (1 Kor. 3:19) Matetika mantsy ny “fahendren’izao tontolo izao” no mampiseho hoe mahafinaritra ny manatanteraka ny fanirian-dratsy. Nisy vokany tamin’ny Kristianina sasany tany Pergamosy sy Tyatira ny hevitry ny olona mpanompo sampy sy ratsy fitondran-tena tao amin’ireo tanàna ireo. Nanome torohevitra hentitra ho an’ireo fiangonana roa ireo i Jesosy, noho ry zareo nilefitra tamin’ny fijangajangana. (Apok. 2:14, 20) Teren’ny olona hanaraka hevi-diso koa isika amin’izao. Mety handangolango sy handrisika antsika tsy hankatò ny lalàn’i Jehovah ny fianakaviantsika sy ny olom-pantatsika. Mety hiteny, ohatra, ry zareo hoe: ‘Tsy mampaninona ange raha mba manatanteraka ny faniriantsika isika indraindray e! Sady efa lany andro ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena.’ Indraindray isika mety hieritreritra hoe tsy ampy ny toromarika omen’i Jehovah antsika. Mety halaim-panahy ‘hihoatra an’izay voasoratra’ mihitsy aza isika.​—1 Kor. 4:6. w23.07 16 § 10-11

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alakamisy 17 Jolay

Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.​—Ohab. 17:17.

Nila hery i Maria, renin’i Jesosy. Tsy nanambady izy, nefa ho bevohoka, hono. Mbola tsy nitaiza koa izy, nefa hikarakara an’ilay ankizilahikely ho lasa Mesia. Izy koa mbola tsy nanao firaisana mihitsy. Dia ahoana no hanazavany an’izany rehetra izany amin’i Josefa fofombadiny? (Lioka 1:26-33) Ahoana no nahazoan’i Maria ny hery nilainy? Nangataka fanampiana izy. Nasainy nanome fanazavana fanampiny momba an’ilay fanendrena, ohatra, i Gabriela. (Lioka 1:34) Taoriana kelin’izay izy nankany amin’ny “faritra be tendrombohitra” tany Joda, mba hitsidika an’ilay havany atao hoe Elizabeta. Nidera an’i Maria i Elizabeta, ary nasain’i Jehovah nilaza faminaniana mampahery momba an’ilay zaza haterak’i Maria. (Lioka 1:39-45) Nilaza i Maria hoe “nanao asa lehibe tamin’ny sandriny mahery” i Jehovah. (Lioka 1:46-51) I Gabriela sy Elizabeta àry no nampiasain’i Jehovah mba hanatanjahana an’i Maria. w23.10 14-15 § 10-12

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara