Alatsinainy 14 Jolay
Nivoaka tany ivelany izy sady nigogogogo nitomany.—Mat. 26:75.
Niady tamin’ny fahalemeny ny apostoly Petera. Ireto misy ohatra: Notenenin’i Petera mafy i Jesosy, rehefa nanazava taminy hoe hijaly sy ho faty araka ny resahin’ny faminanian’ny Baiboly. (Mar. 8:31-33) Imbetsaka koa izy sy ny apostoly hafa no niady hevitra hoe iza no lehibe indrindra. (Mar. 9:33, 34) Ary inona no nitranga ny alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy? Taitaitra be i Petera dia nanapaka ny sofin’ny lehilahy iray. (Jaona 18:10) Raiki-tahotra koa izy tamin’io alina io, dia intelo nanda ho tsy nahalala an’i Jesosy, nefa mpinamana ry zareo. (Mar. 14:66-72) Nigogogogo nitomany izy vokatr’izany. Kivy tanteraka ilay apostoly, nefa tsy nahafoy azy i Jesosy. Rehefa avy natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia nataony izay hahafahan’i Petera hampiseho hoe mbola tia azy izy. Nasainy niandry ny andian’ondriny izy, dia nanaiky. (Jaona 21:15-17) Tany Jerosalema izy tamin’ny andro Pentekosta, ary anisan’ireo voalohany voahosotry ny fanahy masina. w23.09 21-22 § 6-7
Talata 15 Jolay
Andraso àry ny ondrikeliko.—Jaona 21:16.
Nampirisika ny anti-panahy hoatr’azy ny apostoly Petera hoe: “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra.” (1 Pet. 5:1-4) Raha anti-panahy ianao, dia fantatray hoe tianao ny rahalahy sy anabavinao ary te hiandry an-dry zareo ianao. Indraindray anefa ianao mety hahatsapa hoe tery be ny fotoananao na reraka be ianao, dia tsy mahavita ny andraikitrao. Inona àry no azonao atao? Aborahy amin’i Jehovah izany. Hoy i Petera: “Raha misy manompo, dia aoka izy hanompo sady hiantehitra amin’ny hery omen’Andriamanitra.” (1 Pet. 4:11) Marina hoe mety tsy ho voavaha tanteraka aloha amin’izao ny olana atrehin’ny rahalahy sy anabavinao. Tadidio anefa fa afaka manampy an-dry zareo mihoatra noho izay azonao atao “ilay lehiben’ny mpiandry”, izany hoe i Jesosy Kristy. Afaka manao an’izany izy dieny izao sy any amin’ny tontolo vaovao. Izao fotsiny no angatahin’Andriamanitra amin’ny anti-panahy: Ny ho tia ny rahalahy sy anabaviny, dia hiandry an-dry zareo, ary “ho modely ho an’ny andian’ondry.” w23.09 29-30 § 13-14
Alarobia 16 Jolay
Fantatr’i Jehovah fa tsy misy dikany ny hevitry ny olon-kendry.—1 Kor. 3:20.
Tsy tokony hanaraka ny hevitr’olombelona mihitsy isika. Raha mitovy fomba fijery amin’ny olona isika, dia mety tsy hiraharaha an’i Jehovah sy ny fitsipiny. (1 Kor. 3:19) Matetika mantsy ny “fahendren’izao tontolo izao” no mampiseho hoe mahafinaritra ny manatanteraka ny fanirian-dratsy. Nisy vokany tamin’ny Kristianina sasany tany Pergamosy sy Tyatira ny hevitry ny olona mpanompo sampy sy ratsy fitondran-tena tao amin’ireo tanàna ireo. Nanome torohevitra hentitra ho an’ireo fiangonana roa ireo i Jesosy, noho ry zareo nilefitra tamin’ny fijangajangana. (Apok. 2:14, 20) Teren’ny olona hanaraka hevi-diso koa isika amin’izao. Mety handangolango sy handrisika antsika tsy hankatò ny lalàn’i Jehovah ny fianakaviantsika sy ny olom-pantatsika. Mety hiteny, ohatra, ry zareo hoe: ‘Tsy mampaninona ange raha mba manatanteraka ny faniriantsika isika indraindray e! Sady efa lany andro ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena.’ Indraindray isika mety hieritreritra hoe tsy ampy ny toromarika omen’i Jehovah antsika. Mety halaim-panahy ‘hihoatra an’izay voasoratra’ mihitsy aza isika.—1 Kor. 4:6. w23.07 16 § 10-11